add share buttons

Antoko HVM : vaky ny ady eo amin’ny samy fehitenda manga

HVM

Gazety mpiseho isan’andro maromaro no mitatitra fa miady an-trano ny antoko HVM. Voalazan’izy ireo  moa fa nisampana roa ny lalan’ny mpanara-dia ny Filoha Rajaonarimampianina. Etsy an-daniny dia misy ny efa zanaka an-trano hatramin’izay. Ankilany kosa dia misy ireo nijapy ny fitondrana teny an-tenantenany teny.

Olan’ireo any anaty Andrim-Panjakana sy ny Tandapa

Arakaraka ny maha akaiky ireo ny fifidianana hoavy no mampiharihary ny raharahan-tokatranon’ny antoko HVM. Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao ohatra ny fialan’ny filoha lefitra voalohan’ny  antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara iray volana lasa izay. Ankehitriny dia miseho lany koa ireo endrika tsy fifankazahoana. Tanterin’ny gazety moa fa ny tarik’ireo nampandany ny Filoha ankehitriny no isan’ny mitondra faisana amin’izao fisamatsamahana izao. I Henri Rabarinjaka ohatra dia saiky nangina tanteraka tao aorian’ny nanalana azy tamin’ny toerany teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. I Rivo Rakotovao dia nihemotra hoa amin’ny Ministeranan’ny Fambolena sy fiompiana raha nitanana ny toeran’ny Minisi-panjakana miandraikitra ny Foto-drafitrasa sy ny Fandaharanasan’ny Filoham-pirenena teo aloha. Ireo tandapa sy mpanolo-tsaina ny Filoha moa no voambara fa manao izay tetika rehetra hametrahana ny olony raha hoavy ny fifidianam-paritra sy ny 2018. Mba hahatongavana amin’izany dia tsy maintsy misy foana ny fingampingana madiniky.

Efa mahazatra ny ady lova politika

Politika no atao. Izay no azo hamehezana ny toe-draharaha. Samy manao izay metimety aminy ny rehetra rehefa ahazoana tombotsoa izany. Azo lazaina mbola tanora ihany ny antoko HVM saingy efa miaina sahady ny mpahazo ny antoko lehibe eo Madagasikara. Ny Leader Fanilo ohatra dia niroso amin’ny fifampitoriana mihintsy satria samy te handimby an’i Herizo Razafimahaleo ny mpikambana tao. Ny Mapar, zaza navelan’ny Filohan’ny tetezamita dia efa misy elatra telo be zao ankehitriny. Ao ireo nisafidy ny hanaradia ny fitondrana dia eo ihany koa ireo niroso ami’ny fanoherana. Ny antoko Tiako Madagasikara aza moa dia efa saika nisy olana ihany fa saingy tonga i « Dada » dia voaravina ihany ny raharan-tokatranony.

Azo inoana fa isan’ireo olana tsy maintsy vahan’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny zava-misy ao amin’ny antoko naorony. Mpanabe rahateo ny tenany ka ho hita eo ny fana-paha-keviny manoloana ireo maditran’ny antoko.

 Sary © Nirina Rakotomiarintsoa / canalnews

Voir aussi

hotel de ville sambava ekomada

HÔTEL DE VILLE DE SAMBAVA : UN BÂTIMENT ADAPTÉ AUX NORMES

La Commune Urbaine de Sambava se dote enfin d’un Hôtel de Ville, un bâtiment moderne, construit dans les normes, qui conforte son statut de grande ville de la Région...

CLAUDINE RAZAI EKOMADA

CLAUDINE RAZAIMAMONJY : IMPLIQUÉE DANS QUATRE AUTRES AFFAIRES DE CORRUPTION, DE DÉTOURNEMENT ET DE BLANCHIMENT ARGENT

L’affaire Claudine Razaimamonjy est encore à la une des actualités . Il n’y a pas longtemps, le Directeur Général Bureau Indépendant Anti-corruption, Jean Louis Andriamifidy a déclaré devant les...

ONITIANA REALY EKOMADA

MINISTRE ONITIANA REALY : DES ACTIONS SOCIALES POUR TOUS

A l’instar de l’Atsimondrano, les familles et communautés vulnérables et défavorisées de l’Avaradrano ont bénéficié à leur tour du soutien du MPPSPF (Ministère de la Population, de la Protection...

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée.



Chaine vidéo


Back to top Menu mobile